Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

CUA – BMH : hamafisina ny ady amin’ny aretina pesta

CUA – BMH  : hamafisina ny ady amin’ny aretina pesta

Misy ny fiaraha-miasa eo amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra amin’ny alalan’ny BMH sy ny minisiteran’ny Fahasalamana manoloana ny fepetra tokony horaisina amin’ny fisian’ireo aretina eto an-dRenivohitra sy ny fahafatesana mampiahiahy.

Voaresaka amin’izany ny fisian’ny aretina pesta. Nanambara ny talen’ny BMH, Herivonina Durand Derys, fa misy karazany roa ny pesta, ny “bubonique” izay ahitana fivontosana sy ny pesta “pulmonaire” izay misy fivontosana miampy aretin’ny tratra.

Efa olona iray izao no matin’io aretina io teto Antananarivo Renivohitra. Raha natao ny fanadihadiana momba ny niavian’ izany aretina izany, niainga avy any amin’ ny faritra iray nisy ity olona matin’io aretina io izy.

Nentina niakatra taty Antananarivo ny razana , avy eo, maty indray ny vadiny. Mbola nisy maty fanintelony indray taorian’izany izay tsy iza fa ny fianakavian’iretsy maty teo aloha ihany.

Fantatra fa nampidirina tamin’ny hopitaly eto Antananarivo io olona io. Anjaran’ny BMH ny mikarakara ny razana matin’ ny pesta amin’ ny fandevenana azy etsy Anjanahary. Nanamafy ny BMH fa tsy azon’ny fianakaviany alaina ny razana mandritra ny ampolo taony sady tsy azo avadika.

Misy ireo hopitaly mandray ireo olona ahina ho voan’ny aretina ary entanina ny rehetra raha vao misy tranga hafahafa mba hanatona haingana tobim-pahasalama na ny CSBII akaiky azy.

Tsy azo atao ny mihinana fanafody tsy nahazoana alalana avy amin’ny dokotera, indrindra ny “cotrime” fa mety hiteraka fahafatesana. Efa nisy ireo fanentanana eo anivon’ny boriborintany enina eto Antananarivo izay tanterahin’ny BMH amin’izao fotoana izao.

Noho izany, misy ny fampiantsoana ireo sefo fokontany tsirairay ary hamafisina ny tsy fahazoana manary voalavo maty eny rehetra eny fa dorana.

Marihina fa ny voalavo “Ratus Ratus” no tena mitondra io aretina io. Ny olona maty rehetra eto Antananarivo Renivohitra, tsy maintsy mandalo BMH mampilaza ny taham-pahafatesana sy ny antony nahafaty azy mba hisorohana ny fiparitahan’ny aretina. Nentanina koa ny fianakaviana manana ny maty mba hanisy “formol” ny razana mba hikajiana azy ireny sy hiadiana amin’ny areti-mifindra tsy hiparitaka.

Tatiana A

 

Les commentaires sont fermées.