Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

“Challenge bots for messenger” : tafiditra amin’ny Top 10 ny Alfred bot

“Challenge bots for messenger” : tafiditra amin’ny Top 10 ny Alfred bot

Nahazo ny laharana voalohany tamin’ny fifaninanana nampanaovin’ny “Facebook” ho an’i Afrika sy i Moyen Orient miaraka amin’ny Orange momba ny Challenge bots for messenger ny ekipan’i Alfred bot, tao anatin’ny hetsika vakansy nomerika. Tafiditra ao amin’ny sokajy productivité et utilité no nandrombahany ny laharana voalohany teto Madagasikara. Namorona “application” azon’ny mpikirakira “facebook” rehetra ampiasaina ao amin’ny messenger izy telo mirahalahy. Afaka manampy amin’ny lohahevitra maro, manoro lalana, manome ny toetry ny andro, mitady vaovao mikasika tranga iray… ny “application Alfred bot”. Iray volana sy tapany no namoronan’izy ireo izany ary nentina nifaninana avy eo. Mpianatra M5 eny amin’ny Ecole nationale de l’informatique ao Fianarantsoa ary manomana ny master avokoa i Hasina sy i Avotra ary i Nampoina. Tafiditra ao anatin’ny Top 10 nahitana vondrona mpandray malagasy 300 izy telo mirahalahy voalohany.

Notontosaina ny 16 aogositra -22 septambra lasa teo ny vakansy nomerika niarahan’ny minisiteran’ny Paositra sy ny teknolojia vaovao sy ny Orange Madagascar. Tanjona ny fampiroboroboana ny nomerika hamoronana asa ho an’ny tanora malagasy. Ho an’ny eto Antananarivo, notanterahina teny amin’ ny Alliance française Andavamamba sy ny teny amin’ny Cemdlac Analakely ny hetsika rehetra. Ankoatra ny fifaninanana, nisy ny fampiofanana mamorona lalao “video” nandraisan’ny tanora enina anjara. Teo koa ny famoronana tranonkala ho an’ny Merite Internationale Madagascar izay mpiara-miasa amin’ny orinasa Orange ihany.

Notolorana loka, omaly teny Ankorondrano, ireo nandrombaka ny fandresena tamin’ny fifaninanana rehetra natao.

Vonjy A.

 

Les commentaires sont fermées.