Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Anosibe sy Namontana : saron’ny polisy ireo jiolahy raindahiny amin’ny fanendahana

Anosibe sy Namontana : saron’ny polisy ireo jiolahy raindahiny amin’ny fanendahana

Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahadimy eny Mahamasina teny Anosibe sy Namontana, ny talata teo ny andian-jiolahy raindahiny amin’ny fanendahana. Araka ny fanazavan’ny polisy teo amin’ny faritra atao hoe Lapse Anosibe ny nahatrarana ireo jiolahy telo tamin’io fotoana io. Manao andiany ry zalahy rehefa manao ny asa ratsiny ka ataon’ izy ireo eo afovoany ireo olona hoendahina. Ny sasany mody mankeo aloha ary ny hafa kosa any aoriana ka endahin-dry zalahy sady ambanan’izy ireo sabatra ilay olona. Olona iray no lasibatr’ireto jiolahy ireto ka lasan’izy ireo tamin’izany ny entana sarobidy tany aminy. Nifanehatra tamin’ny polisy nanao fisafoana ry zalahy ka noraisim-potsiny. Voasambotry ny polisy ny jiolahy iray ka nanoro ny namany. Tratra tany amin’izy ireo ny sabatra sy saron-tava.

Tratra teo am-panaovana ny asa ratsiny koa ny jiolahy roa teny Namontana, omaly maraina. Malaza ratsy amin’ iny faritra iny ry zalahy ireto.

J.C

Les commentaires sont fermées.