Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tselatra

Voasambotry ny polisin’ny Fip tany Toamasina ire enin-dahy, mpanao fanafihana mitam-piadiana. Sarona teo am-panaovana ny asa ratsiny izy ireo. Araka ny fantatra, vao avy nivoaka ny fonja, ny volana jolay teo, izy ireo ary izao miverina manao ny asa ratsiny izao sahady. Anisan’ny jiolahy raindahiny any Toamasina izy ireto. Olana anefa, miditra am-ponja ireo ka rehefa mivoaka, miverina manao ny asa ratsiny indray.

Nivadika tany Ambatolampikely RN2 PK 19 ny kamiao nitondra arina, afakomaly. Antony ny fandehanana mafy kanefa mavesatra ny entana. Soa ihany fa tsy nisy ny olona maty fa naratra kosa ny mpamily sy ny mpanampy azy. Very avokoa ny arina iray kamiao, saingy mba tsy nisy ny nifarombaka izany.

 

Les commentaires sont fermées.