Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Rugby Analamanga : samy hisy lalao ao Malacam sy eny amin’ny Makis

Rugby Analamanga  : samy hisy lalao ao Malacam sy eny amin’ny Makis

Toy ny mahazatra, samy hanatanteraka ny fifaninanany, rahampitso alahady, ny Analamanga rugby sy ny Commission technique federale (CTF), eo amin’ny taranja rugby. Etsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, toy ny mahazatra azy, ny an’ny CTF. Lalao dimy no voalahatra amin’ny fandaharam-potoany, ka tafiditra amin’ny fiadiana ny “Elite régionale” ny telo. Hifandona amin’izany ny samy Andohatapenaka : ny FTBA sy ny XV Black. Aorian’izay, hifanehatra ny FTA Andavamamba sy ny Balami Ambilanibe ary ny Afa Ankazomanga, hifanazava amin’ny ASA Ambohimanarina. Fihaonana roa kosa ny eo amin’ny   “Elite federale”. Hifampitana ny JSTA Ambondrona sy ny VTMA Antsalovana ary hamarana ny lalao ny US Ikopa sy ny XV FA Ampasika.

 Ny kianja Malacam Antanimena kosa ny an’Analamanga rugby. Hisy ny fiadiana ny ho tompondakan’ny seksiona Antananarivo Renivohitra, ny maraina, ka hifanandrina amin’izany ny XV FTV sy ny FTA Anjanahary. Aorian’io, ny an’ny Hiza 17 Angarangarana sy ny ATI Ivandry. Hifanandrina, kosa eo amin’ny fiadiana ny “Top 9” Analamanga, ny TFA sy ny Matadorea ary ny Tam hifanazava amin’ny Stade. Hanakatona ny lalao kosa ny fihaonan’ny XV Family sy ny TFMA.

 Tompondaka

Les commentaires sont fermées.