Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mafana ny andro : mivoaka ny lamaodin’akanjo maivamaivana

Mafana ny andro  : mivoaka ny lamaodin’akanjo maivamaivana

Mitohy, anio ary hifarana rahampitso ny hetsika « La Grande Braderie de Madagascar » etsy Mahamasina. Hatreto, afa-po ny mpikarakara satria tonga ny olona ary mbola ahitana ireo mpanao vakansy avy any amin’ny faritra marobe tonga mitsidika ny tsena.

Nilaza ny mpikarakara avy ao amin’ny Madavision fa fotoana amoahan’ny mpivarotra akanjo ny lamaody amin’ny andro mafana izao. Mirantiranty ny akanjo maivamaivana sy ny karazana kapa.

Tsy ny an’ny lehibe ihany fa eo indrindra koa ny an’ny ankizy, entina iatrehana ny taom-pianarana vaovao 2017-2018 izay hanomboka amin’io herinandro io ho an’ny ankamaroan’ny sekoly tsy miankina.

Ankoatra ny lamaody, manasongadina ny vokatry ny orinasa malagasy koa ity tsena etsy Mahamasina ity. Ambentin-tenin-dRtoa Ramanantsoa Harilala ny fanomezan-danja ny orinasa malagasy izay tsy mena-mitaha amin’ny any ivelany ny vokatra vokariny.

Efa misy ny orinasa malagasy mahavita ny vokatra fikarakarana ny endrika amam-bika vita avy amin’ny akora voajanahary. Eo ny mamokatra sakafo sy ny karazana haingon-trano miavaka vita amin’ny akora fototra toy ny taolana sy ny rofia..

Tatiana A

Les commentaires sont fermées.