Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Letisia : mila paikady vaovao ny fiotazana

Letisia  : mila paikady vaovao ny fiotazana

Tsy mivoatra ! Azo tsorina fa tsy mihetsika firy ny manodidina ny lalam-pihariana letisia. Hanamarinana izany, tsy mihoatra ny 20.000 t isan-taona ny vokatra aondran’i Madagasikara any ivelany amin’ireo 100.000 t vokatra. Mihakely ny anjara toerantsika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena satria mipoitra tsikelikely ny firenena manomboka mivarotra sy manondrana any ivelany, toy ny any Afrika Atsimo, La Réunion, Mozambika, Maorisy.

Manoloana ireo, nilaza ny mpandraharaha malagasy, anisan’ny manondrana any ivelany, Rasamimanana Faly, fa tsy maintsy ovaina ny paikady sy ny fomba fiotazana ny letisia. Antony, lesoka ny fiovaovan’ny ividianan’ny mpanangom-bokatra any amin’ny tantsaha mandritra ny fotoam-piotazana.

 Kely koa ny fe-potoana hanangonana ny vokatra, satria efa voafaritra mialoha ny fotoana hitateran’ny sambo azy mankany ivelany. Hany ka ifarombahana ny manangona ny letisia any amin’ny tantsaha, ka tsy voahaja ny kalitao. Maro ny vokatra manta tsy matoy tsara, kely ny habeny, nefa ireny no tena takin’ny mpanafatra sy ny mpanjifa any ivelany.

Mandra-piandry izany vahaolana avy amin’ny fanjakana izany, efa miezaka manatsara ny azy ny orinasa tsy miankina sasany. Anisan’ny miavaka sy tadiavin’ny mpanjifa ny letisia manana ny famantarana label Horeb, aroson’ny orinasa Faly Export, tantanan-dRasamimanana Faly.

Njaka A.

Une réponse à "Letisia : mila paikady vaovao ny fiotazana"

  1. bordeaux33000  03/09/2017 à 10:28

    Letchis de Madagascar tena rats y kalirao indrindr rehefa tonga aty ivelany tompok o o o, val omaly zah eo il nividy letchis Navy en israël?18eur le kg?eh zalah eh,afa po ami,NY hamamiana couleur NY hoditr ilay letchis tena mena. Koa zalah letchis av am tsika a Madagascar alefa aty? Tsar y MBA tadidiko hoe tal taona firy MBA tena nanararaotra nihinanana letchis mamy. Sandy Kelly ni masina.tena tsy ao fa iz karah il moa tiavanjareo afarana dia ahoana atao. Fa masina zalah eh’ latchis Navy a la réunion koa MBA tsar à kalitao. Mamy sady maventy art en graphe mirka am raviny- fa nintsika Navy a Mazda zalah baaaa’ TS hitako dikan NY soufre atao am naz il karah hitako mi empoisonner consommateur edy hitko am naz il. Satria mandeh anaty hibo agny i soufre il la antsika mi éplucher lay letchis. Déjà UEFA masina lay letchis mbola arao soufre MBA hampaharitr conservation hono -tsis rah manjary fa Dia mihinana

Les commentaires sont fermées.