Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra – «THB ligue des champions 2017» : nanamontsana avokoa ny Cnaps sy ny Zanakala

Kitra – «THB ligue des champions 2017»  : nanamontsana avokoa ny Cnaps sy ny Zanakala

Nanomboka, omaly tamin’ireo kianja efatra : Antananarivo, i Toamasina, i Mahajanga ary i Fianarantsoa ny andro voalohany amin’ny fifanintsanana isam-bondrona eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara “THB ligue des champions”, taranja baolina kitra. Nisongadina, tamin’ity fihaonana voalohany ity, ny fandresen’ireo klioba vaventy, tamin’ny isa mihoa-pampana.

Anisan’izany ny nanamontsanan’ny Zanaka FC ny AS Epoir, tamin’ny isa mazava? 7 no ho 2, tany amin’ny kianja Ampasambazaha, Fianarantsoa. Toy izany koa ny Cnaps Sport, avy any Itasy, izay nanilika ny JSA, tamin’ny isa mavesatra, 7 no ho 0. Ankoatra izay, resin’ny HZam Amparafaravola, tamin’ny isa 1 no ho 0, ny Ajesaia ary tamin’ny io isa tery io ihany koa ny  nanilihan’ny Jet Mada  ny FC Vakinankaratra. Vokatra tsy nampoizina ihany koa ny ady sahala samy tsy nisy nitoko teo amin’ny Fosa Juniors sy ny MTM. Ny Fosa Juniors izay nanainga omaly ary lasa nanoman-tena any Pays-Bas, araka ny vaovao voaray tao amin’ny tambajotran-tserasera. Hitohy rahampitso alahady ny andro faharoa, amin’ity “THB ligue des champions” ity.

Tompondaka

Les commentaires sont fermées.