Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Haintrano tetsy Mahavoky : hotohoton’ny afo ny fitaovana vaovaon’ny mpianatra

Haintrano tetsy Mahavoky : hotohoton’ny afo ny fitaovana vaovaon’ny mpianatra

Kilan’ny afo avokoa ny entan’ireo mponina tamin’ny tokantrano 50 ao Mahavoky ny alin’ny alakamisy teo. Anisan’izany ny fitaovan’ny mpianatra , efa novidian’ny ray aman-dreny hiatrehana ny taom-pianarana vaovao 2017-2018. May koa ny kopian’ny mpianatra sy ny rosia nandoavana ny vola tany am-pianarana. Velon-taraina izy ireo ary nanao antso avo tamin-dranomaso amin’ny manam-pahefana sy ireo malala-tanana. Tsy nisy azo noraisina ny entana satria nihanaka haingana ny afo.

Manahy ny hoavin-janany ireo ray aman-dreny amin’ny fiatrehana ny fidiran’ny mpianatra. Tsy misy horaisina intsony ao an-tokantrano. Manodidina ny 387 ireo tsy manan-kialofana eny Mahavoky taorian’iny loza iny. Mipetraka amin’ny EPP eny an-toerana ireo traboina miandry ny fanampiana omen’ny tompon’andraikitra.

Tatiana A

 

Les commentaires sont fermées.