Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fifidianana filoham-pirenena : mangataka ny depiote Hary ho kandidà ny any an-tanàna

Fifidianana filoham-pirenena  : mangataka ny depiote Hary ho kandidà ny any an-tanàna

 Miangavy sy mangataka an’Andrianarivo Hary ho anisan’ireo mpifaninana hofidina ho filoham-pirenena amin’ny fifidianana ho avy izao izahay raiamandreny avy any amin’ny faritra Amoron’i Mania sy Matsiatra Ambony”, hoy ny fanambarana novakin’ny raiamandreny, Rakotomanga Martin, notronin’ireo namany maromaro, avy any an-tanàna, tetsy Antsahavola, omaly. Notsiahiviny fa efa nifampidinihana tamin’ireo sokajin’olona maro sy raiamandreny any ifotony, naniraka azy ireo ho aty Antananarivo, izany fangatahana izany. “Na izany aza, mbola hitondra famelabelarana ireo voalaza ireo izahay amin’ny manaraka…”, hoy ihany izy ireo.

Tsiahivina fa filoha lefitry ny Antenimierampirenena ny depiote Andrianarivo Hary. Mitarika ny fikambanana Mampiray any amin’iny faritra iny ny tenany. Ankoatra izany, mpandraharaha eo amin’ny sehatra maro ity solombavambahoaka voafidy tao Ambositra ity. Manampy ireo, manana andraikitra eo anivon’ny fiangonana loterana (FLM) ny tenany.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.