Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fanadiovana ny asam-panjakana : tsy manaiky atao fitaovana politika ny paramedicaux

Fanadiovana ny asam-panjakana  : tsy manaiky atao fitaovana politika ny paramedicaux

 Hentitra tanteraka. Tsy ekenay ary tsipahinay tanteraka ny fanaovana antsojay amin’ny fanerena ny paramedicaux hiditra any anaty antoko politika. Hita izany any amin’ny faritra Sofia sy Melaky”, hoy ny filohan’ny Sendikàn’ny paramedicaux (Sis-FM), Rakotondrazafy Aimé, omaly. Notateriny tamin’izany ireo teboka vitsivitsy nisongadina tamin’ny fihaonamben’izy ireo, ny 21 hatramin’ny 25 aogositra teo, tany Taolagnaro. Nanteriny fa tsy afaka ny hanaiky intsony ireo teritery samihafa na tsindry hazolena ataon’ny tompon’andraikitra isan-tokony koa izy ireo. Nohitsiny fa hoesorin’izy ireo any amin’ireny toerana ireny ireo paramedicaux iharan’izany.

Manampy izany, eo koa ny antso avo manoloana ny tsy filaminana sy tsy fandriampahalemana, amin’izao fotoana izao. “Zary lasa sorona ny paramedicaux nefa ny mpitandro filaminana, mirenireny fotsiny eny… Hampodianay ny namanay any amin’ireny faritra ireny rehefa tsy voafehin’ny mpitondra sy tompon’andraikitra izany. Tsy natao hovonoina izahay”, hoy ihany izy.

Mbola nohamafisiny ny hananganana ny tranoben’ny paramedicaux iarahana amin’ny minisiteran’ny Fahasalamana ka efa nahazoana ny tany hanorenana izany.

Synèse R.

 

Les commentaires sont fermées.