Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

«Sport scolaire 2017» : voalohany ny Atsimo Andrefana

«Sport scolaire 2017»  : voalohany ny Atsimo Andrefana

Nandrombaka ny laharana voalohany, Atsimo Andrefana, teo amin’ny fifaninanam-pirenena amin’ny fanatanjahantena an-tsekoly na ny «sport scolaire 2017», natao tany Mahajanga izay nifarana ny alahady lasa teo. Nahazo medaly 12 izy ireo ka ny 7 tamin’izany, volamena avokoa. 3 volafotsy ary 2 alimo. Anisan’ny nampisongadina azy ireo, ny teo amin’ny atletisma, ny basikety ary ny handball, sokajy lehilahy. Ankoatra izay, mbola izy ireo ihany koa no voatendry ho delegasiona mendrika, noho ny hamaroan’ny mpianatra sy ny mpanabe ary ny raiamandreny, tonga tany an-toerana. Notoloran’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, amboara manokana izy ireo, tamin’izany.

Nitana ny laharana faharoa, Alaotra Mangoro. Medaly volamena 4 sy volafotsy 1 ary alimo 1, no lasan’izy ireo, tamin’izany. Fahatelo, ry zareo avy any Melaky rehefa niravaka medaly volamena 4 sy volafotsy 1. Teo amin’ny laharana fahefatra, i Boeny mpampiantrano izay nahazo volamena 2 sy volafotsy 1, narahin’i Vakinankaratra, tamin’ny fahazoana volamena 2 sy volafotsy 1 ary alimo 3.

Tsiahivina fa 22 ireo fari-piadidiam-pampianarana (Dren), nandray anjara tamin’ity “sport scolaire 2017”, ity.

Torcelin

 

Les commentaires sont fermées.