
Ho fanatsarana ny tontolon’ny fitsarana ny baolina kitra eto Madagasikara, nisy fiofanana nomena ireo voakasik’izany, avy amin’ny teknisian’ny federasiona iraisam-pirenena (Fifa).
Nahavita fiofanana nomen’ny federasiona iraisam-pirenena (Fifa), ny mpitsara baolina kitra malagasy 26 mianadahy ka vehivavy ny valo, izay nifarana omaly alatsinainy, rehefa nanaraka izany nandritra hadimiana. “Mihazakazaka sy mivoatra be ny fitsarana ny taranja baolina kitra ka mila maharaka izany ny rehetra. Izany indrindra ny anton’izao fiofanana avy amin’ny Fifa sy ny Caf, izao izay saika atao isan-taona”, hoy i An Yan Lim Kee Chong, anisan’ireo mpampiofana. Nomarihiny fa na misy aza ireo lalàna mifehy ny fihaonana samy hafa, tsy voatery arahin’ny mpitsara fa azony dinganina, amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra, na tsy mifanitsy amin’ilay lalàna aza, izay tsy maintsy eken’ny rehetra.
Na eo aza izany, ampiasain’ny Caf sy ny Fifa ireo «caméra» marobe, ahafahana mijery sy manitsy izay mety ho fahadisoana tsy ninian’ny mpitsara natao eny ambony kianja, araka ny nambarany hatrany.
Noraisiny ho ohatra ho an’ireo mpiofana i Hamada Nampiandraza, izay reharehan’ny fitsarana baolina malagasy, tamin’ny zavatra vitany tamin’ireo lalao iraisam-pirenena rehetra nahavoatendry azy. “Tokony halainareo tahaka ny dingana natrehiny”, hoy izy. Tsiahivina fa anisan’ireo voatendry hitsara ny “Mondial U17”, amin’ity taona ity, i Nampiandraza.
Marihina fa mpitsara efa sangany sy manana ny lazany ny ankamaroan’ireo nanaraka ity fiofanana ity, raha tsy hilaza afa-tsy ry Pélagie, i Andofetra sy i Abdoul Kanoso ary i Nirina sy ny hafa.
Nanamafy ny hafatra nomen’i An Yan Lim Kee Chong ny filohan’ny komisiona ny mpitsara eo anivon’ny federasiona, nisolo tena ny filohan’ny federasiona, ny mba hampiharana an-tsakany sy an-davany izay norantovina, ary hizara ny traikefa ananan’ny mpitsara, rehefa tafaverina any amin’ny faritra niaviany izy ireo.
Torcelin
Les commentaires sont fermées.