Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mahajanga : nifarana ny foara “Mionjo”

Mahajanga  : nifarana ny foara “Mionjo”

Nifarana, ny asabotsy 26 aogositra teo, ny foara ara-toekarena “Boeny Mionjo” tany Mahajanga, andiany fahefatra. Manankarena amin’ny lafiny jono ny any Boeny, ka lohahevitra noraisina ny hoe « ny jono sy ny fiompiana trondro, fanoitra ho an’ny fampandrosoana ny faritra Boeny ». Nanatrika ny fotoana ny minisitry ny Jono, Gilbert François, sy ny lehiben’ny faritra Boeny, Saïd Ahamad Jaffar. Nilaza ny minisitra fa maro ny tetikasa mitondra fampandrosoana any Boeny, ary hampahafantarina ny besinimaro tsy ho ela, mandritra ny filankevitry ny minisitra hatao tsy ho ela any Mahajanga.

Nomen’ny faritra sy ny Antenimieran’ny varotra sy ny indostria taratasy fanamarinana ireo mpandray anjara mendrika tamin’ny fampirantiana, nandritra ny foara « Boeny Mionjo ».

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.