
“Tsy azo ekena intsony ny fitondrana mandika lalàna sy manondinkodim-bolam-panjakana. Mahazo loza isika raha izao no miseho hatramin’ny taona 2018…”, hoy ny eo anivon’ny Herin’ny fanovana, Ratolojanahary Maharavo na i Doudou, omaly tamin’ny resaka nifanaovana taminy. Ankoatra izany, nohitsiny fa te handrara amin’ny fomba rehetra ny fampiharana ny zo ananan’ny olom-pirenena eto amin’ny firenena ny fitondrana. “Atao ahoana ny ahafahana manao fifidianana demokratika sy malalaka eto raha ny zo kely ananantsika aza, tsy ekena ? Manentana ny rehetra aho ho saropiaro amin’ny zony”, hoy ihany izy. Momba ny hetsika famoriam-bahoaka kasain’izy ireo hatao kosa, nambarany fa hametraka fangatahana indray izy ireo amin’ity herinandro ity. Notsiahiviny ny lalana efa nodiavin’ny Herin’ny fanovana ka nilazany fa nanapa-kevitra ny hanao fihetsiketsehana manerana ny Nosy, hanetsika ny Malagasy hitaky ny zony izy ireo, nanomboka ny fiandohan’ny volana aogositra teo.
Tsy maintsy ravana io governemanta io
Teo koa ny fangatahana fampiatoana didy, ny herinandro teo nefa nolavina satria hoe tsy manana fahefana hanao izany ny Herin’ny fanovana noho izy tsy fikambanana mitsangana ara-panjakana. “Ataonay amin’ny anaran’ny Dinika ho an’ny fanavotam-pirenena (DFP) izany. Tsy hihemotra intsony izahay manomboka eto”, hoy ihany izy.
Nitondrany fanazavana avy eo fa tokony havahina ny hetsi-bahoaka sy ny fanonganam-panjakana. Zo fototra eken’ny lalàna sy ny sehatra iraisam-pirenena ny hetsika. “Ilay faharoa kosa mifanohitra amin’izany. Izahay tsy hanongam-panjakana fa hanao hetsi-bahoaka. Tsy tokony ho olana raha maharava io governemanta io izany. Aminay, tsy maintsy ravana io governemanta io”, hoy ny Herin’ny fanovana.
Synèse R.
Les commentaires sont fermées.