Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fikarohana : sisan-taolana androngobe teto Madagasikara

Fikarohana  : sisan-taolana androngobe teto Madagasikara

Anisan’ny tao anatin’ilay kaontinanta lehibe taloha i Gondwana i Madagasikara. Nahitana sisan-taolana karandoha androngobe tany amin’ny tapany andrefana, karazana dinaozaoro niandohan’ny voay.

Nahita sisan-taolana karandohan’androngobe vaventy teto amintsika ny mpikaroka vahiny. Nomena ny anarana hoe Razanandrongobe sakalavae ity sisan-taolana ity satria hita tany amin’ny tapany andrefan’i Madagasikara. Tombanan’ny mpikaroka ho tany amin’ny 170 tapitrisa taona tany ny taon’ity androngobe ity, mirefy 7 m, ary milanja 800-1.000 kilao. Voalaza fa karazam-biby niandohan’ny voay ity hita ity, mitovitovy amin’ny karazam-boay anaty ranomasina (crocodylus porosus) sy ny tyrannosaures, nisy 100 tapitrisa taona tany aloha sy ny notosuchiens, nisy 42 tapitrisa taona tany aloha. Manana nify hatrany amin’ny 15 sm ny halavany.  Lava ny lohany, avo sy vaventy ary matanjaka ny tongony.

Nilaza ny mpikaroka, Simone Maganuco, avy ao amin’ny tranombakoka, ny mozean’i Milan any Italia, manamafy sy manamarina ity valim-pikarohana ity fa avy aty atsimon’i Gondwana ny fiavian’ny karazana androngobe notosuchiens. Kaontinanta ahitana an’i Afrika, i Madagasikara, i Amerika Atsimo,  i Aostralia, i Nouvelle-Zélande, i India ary i Antarctique i Gondwana ary nizara taty aoriana.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.