
Efa tafiditra amin’ny andiany faharoa amin’ny hetsika fandaminana ny fiarakaretsaka ny ekipan’ny fitaterana ao amin’ny CUA. 11 indray ireo fiarakaretsaka tsy ara-dalàna tratran’ireo polisy monisipaly sy polisim-pirenena ary efa nogiazana etsy Anosipatrana fa tsy eny Antsakaviro intsony.
Nomena sazy, toy ny “fourriérè” 10 andro sy ny onitra tsy maintsy aloa ary afaka 48 ora aorian’izay 10 andro izay dia tsy maintsy mandoko ny fiarany tsy ho “beige crème” intsony. Marihina fa tsy ny taxi tsy ara-dalana ihany akory no savaina fa ireo lany fitsirihana teknika sy “assurance” ihany koa.
Nambaran’ny talen’ny fitaterana sy ny fivezivezena an-tanàn-dehibe, Raveloson Landy, ao amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra fa efa misy ezaka koa ny fandaminana sy ny fandrindrana ireo fijanonan’ny taxi-be izay be mpampiasa indrindra eto Antananarivo toy ny etsy Behoririka, Ankadivato … . Hotanterahina amin’ity herinandro ity ny fandaminana ny eny Anosy hatrany 67 Ha.
Misy koa ireo “arret” novain’ny kaominina izay hita fa mampitarazoka ny fifamoivoizana toy ny tetsy Ankadimbahoka izay novaina ho eo ampitan’ny Leader Price. Nitondra fanazavana koa ny talen’ny fitaterana sy fifamezivezena an-tanàn-dehibe ny antony nanovana sy namindrana ny fijanonan’ny taxi-be maromaro eny Ankorondrano.
Fantatra fa manomboka eo amin’ny fiangonana Jesosy Mamonjy ka hatreny Anosivavaka dia antsoina hoe “Voie Rapide”, izany hoe misy fenitra sy fepetra ny fametrahana “Arret” izay tsy tokony hifanety ka tsy maintsy hajaina ny elanelana izay antony namindrana ny “arret” ho eny amin’ny toerana malalaka sady hisorohana rahateo ny fitohanana sy ho fanajana ny lalàna.
Tsara ho marihana koa fa “Double Voie” iny Ankorondrano rehetra iny kanefa anisan’ny mampitohana ny fifamoivoizana eny amin’ny “rond poind” eo amin’ny Sodiam ny fisian’ireo fiara mbola mijanona afaka ny arret manolona ny Coloris hatreny amin’ny farmasia Principale izay efa nametrahan’ny kaominina takela-by fampahatsiahivana.
Tatiana A
Les commentaires sont fermées.