Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fanitarana seranam-piaramanidina Ivato : nahita taolam-paty tanaty vata vy ireo mpiasa

Fanitarana seranam-piaramanidina Ivato : nahita taolam-paty tanaty vata vy ireo mpiasa

 Hatairana ny an’ireo mpiasa manao ny fanitarana ny seranam-piaramanidina eny Ivato raha nahita taolan’olona maromaro, ny herinandro teo. Araka ny fanazavan’ireo mpiasa nahita izany, tao anaty vata vy no nahitana ireo taolana ireo. Sendra nihady tany amin’ny alalan’ny angady ireo mpiasa no nahita zavatra hafahafa voatohitry ny angady. Nohadina ihany hita teo ny taolan’olona maromaro. Hatreto aloha tsy fantatra mazava hoe iza na an’iza ireo taolam-paty ireo fa nampandrenesin’ny tompon’andraikitra misahana ny fanitarana avy hatrany ny teo anivon’ny kaominina Ivato. Ny teo anivon’ny kaominina kosa no nandray an-tanana ny fikarakarana sy nanao ny fombafomba ara-pomba Malagasy rehetra ireto taolana ireto. Toerana anisan’ny manan-tantara iny manodidina ny seranam-piaramanidina Ivato iny ka ahin’ny rehetra ho misy ifandraisany amin’izany izao fahitana taolan’olona izao, araka ny fanazavan’ireo mponina mahalala tsara izany. Na teo aza anefa izany, mitohy hatrany ny asa fanitarana eo anivon’ny seranam-piaramanidina Ivato.

J.C

Les commentaires sont fermées.