Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Cité Vohitsara –Toamasina : hanamboarana trano ireo tavoahangy

Cité Vohitsara –Toamasina : hanamboarana trano ireo tavoahangy

Vina lavitra ezaka, kanefa efa manomboka ny an’ny fikambanana My Crew: hanao tanàna iray mitsinjo ny tontolo iainana. Nisafidy ny Cité Vohitsara any Toamasina ny fikambanana, hananganany ny tanàna voalohany amin’ity tetikasa ity. Anisan’ny hafakely ao anatin’izany ny fampiasana ireo tavoahangy efa niasa, hatao rindrin’ny trano. Fenoina fasika ireo tavoahangy ireo, mba ho lasa akora mahasolo biriky.
Mifanandrify indrindra amin’ny vina napetraky ny orinasa Star izany, mahakasika ny fikajiana ny tontolo iainana. Nanome tavoahangy efa tsy misy rano intsony, miisa 2.000 izy ireo ho an’ny fikambanana, ka efa nanomboka tamin’ny famenoana fasika izany ireo mpikambana sy mpiara-miombon’antoka. Mbola hisy ny andiany tavoahangy ho avy manaraka, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny Star.
Hotokanana mandritra ny “Festival Art Iary”, izay hotontosaina amin’ny volana novambra ho avy izao ireo fotodrafitrasa hatomboka ireo. Kasain’ny fikambanana hatao toerana ho an’ny kolontsaina sy ny fizahantany any Toamasina ity tanàna vaovao ity.

Zo ny Aina

Les commentaires sont fermées.