Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Beroroha : voaroban’ny dahalo ireo mpampianatry ny GEG hamonjy fiofanana

Beroroha  : voaroban’ny dahalo ireo mpampianatry ny GEG hamonjy fiofanana

 Notafihin’ny andian-dahalo nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika ny taksiborosy roa, nitondra ireo mpampianatry ny GEG hamonjy fiofanana any Sakaraha. Olona iray naratra mafy…

 

Tratran’ny vela-pandriky ny dahalo ny taksiborosy nitondra ireo mpampianatra avy avy amin’ny GEG Beroroha hamonjy fiofanana any Sakaraha, omaly maraina tao Beroroha. Araka ny fampitam-baovao voaray, tamin’ny 9 ora sy 30 mn no nitranga ity fanafihan-dahalo ity, 20 km miala an’i Beroroha. Lasan’ireo mpanafika avokoa ny vola sy ny entana rehetra tany amin’ireo mpandeha. Indray niainga tamin’io fotoana io ny fiara roa fa afaka ny sakana nataon’ireo dahalo ilay fiara voalohany raha lasibatr’ireo malaso kosa ny fiara faharoa. Norahonan’izy ireo avy hatrany ireo olona tao anaty fiara ka tsy afa-nanoatra manoloana ny fitaovam-piadiana teny am-pelatanan’izy ireo. Tsy nisy ny aina nafoy fa naratra mafy nodarohan’ireo dahalo ireo ny olona iray. Na teo aza anefa izany, afa-nanohy ny dia ihany ireo mpampianatra. Nalefa notsaboina avy hatrany kosa ilay naratra.

Tonga teny an-toerana ny zandary taorian’izay ka nisy ny fanarahan-dia. Vokany, voasambotra ny roa tamin’ireo dahalo tompon’antoka tamin’ity fanafihana ity.

Fantatra izao fa isan’ny faritra mena amin’ny tsy fandriampahalemana iny faritra iny amin’izao. Mikaikaika hatrany manoloana ny asan-dahalo ny mponina. Misy ny ezaka ataon’ny zandary amin’ny fampandriana fahalemana, saingy tsy kely lalana ny ratsy ka manao antso avo amin’ny tompon’andraikitra mba hijery akaiky iny faritra iny ny mponina ao an-toerana.

J.C

 (Tahirin-tsary)

Les commentaires sont fermées.