Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Basikety eto Toamasina : ankizy 150 niofana tamin’ny Sepa

Basikety eto Toamasina  : ankizy 150 niofana tamin’ny Sepa

Efa ho roa taona izay ny nisian’ny Sport éducation pour l’Avenir (Sepa), rantsana fitaizana ankizy sahirana Akamasoa ao Antananrivo eto Toamasina ary sekoly fanabeazana fototra efatra loha ny ahitana ireo ankizy miisa 150 tezaina ara-panatanjahantena amin’ny taranja basikety, araka ny fanazavana nomen-dramatoa Andrianivoson Vero, sekretera jeneralin’ny ligin’Atsinanana, nandritra ny famaranana ny lasy ara-piofanana basikety. Naharitra efatra andro izany izay natao tao amin’ny CEG Ratsimilaho, nahitana mpampiofana espaniola efatra mianadahy, tarihin’i Argel Monzano Polo, izay sady mpanazatra ny ekipam-pirenena. Tetikasa eo anivon’ny federasionan’ny basikety izy ity  ary ireny ankizy avy amin’ny fianakaviana sahirana no nantsoina sy nanaovana fanentanana isaky ny sekoly. Nambaran’Andrianivoson Vero fa tsy mandoa vola ireo ankizy, manao azy ity. Tanjona ny hanana dimby eo amin’ ity taranja iray ity ary fanampiana ihany koa ireo ankizy sahirana ara-pivelomana. Ny alakamisy 24 aogositra teo ny fizarana mari-pankasitrahana ho an’ ireo ankizy nahavita ny fiofanana.

Sajo

Les commentaires sont fermées.