
Anisan’ny toerana iray mitana anjara toerana lehibe amin’ny fampivelarana ny kolontsaina malagasy sy ny avy any ivelany ny Alliance Française Antananarivo (AFT) etsy Andavamamba. Tsy mitsahatra manatsara ny toerana rahateo ny tompon’andraikitra.
Hotokanana, anio tolakandro, ny asa fanavaozana sy fanatsarana etsy amin’ny Alliance française Antananarivo (AFT) Andavamamba. Nosoloina lampihazo raikitra manaraka ny fenitra iraisam-pirenena ilay sehatra teo aloha ao anatin’ny efitrano lehibe. « Hanatsara ny tolotra omenay ato amin’ny AFT ny fananana io lampihazo io », hoy Rabetsimba Heritiana, tompon’andraikitry ny serasera eo anivon’ny AFT.
Manana ireo kalitao takin’ny fenitra iraisam-pirenena amin’ny fanatanterahana seho an-tsehatra ity lampihazo vaovao ity. Anisan’ireny ny « rideau » manoloana ny sehatra, ny tohatra, ny ravaka, sns. Afaka mandray tsara tantara filalao an-tsehatra, fampisehoana rindrankira, alim-pikoranana na « cabaret », sns.
Nasiana fanitarana sy fanatsarana ihany koa ny efitrano roa fianarana teny frantsay eny an-toerana. Nohavaozina sy nitarina ny toeram-pisakafoana sy ny zaridaina ary ny seza mba hahafahan’ireo mpianatra miandry ny ora fidirana sy ho an’ireo mpaka mpianatra amin’ny ora firavana.
Marihina fa aorian’ny fitokanana ireo fotodrafitrasa nohavaozina ireo no hanatanterahana ny « Veloma » ho an’i Marc Sarrazin, tale jeneralin’ny AFT izay nipetraka 4 taona teto Madagasikara.
HaRy Razafindrakoto
Les commentaires sont fermées.