Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra : voatendry hitsara “Mondial U17” i Nampiandraza

Kitra  : voatendry hitsara “Mondial U17”  i Nampiandraza

 Tsy mitsahatra ny miroborobo ny baolina kitra malagasy. Tsy ny vokatra azon’ny Barea de Madagascar ihany fa eo amin’ny lafiny fitsaram-baolina ihany koa dia efa manana ny toerany, ny Malagasy. Porofon’izany, notendren’ny federasiona iraisam-pirenena (Fifa), ho anisan’ireo 21 hitsara sy hitantana ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany, ho an’ny sokajy zandriny U17, hatao any Inde, ny 6 – 28 oktobra, ho avy izao, i Nampiandraza Hamada. Voalohany amin’izao izy no hitsara dingan’ny famaranana, karakarain’ny Fifa. Na izany aza, efa zatra fitantanana lalao goavana toa izao ny lehilahy, toy ny inefatra nitsarany ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Can), sokajy “sénior” izy. Indroa ho an’ny Can U23 ary indray mandeha nitantana ny famaranana ny Can U17 ary indray mandeha teo amin’ny Can U20, ary indroa teo amin’ny Cosafa ka ny iray famaranana. Indray mandeha avy kosa teo amin’ny “Chan” sy ny “Super coupe”-n’i Afrika.

Marihina fa efa nanaraka fiofanana ho an’ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany, hatao any Rosia, amin’ny taona 2018 i Nampiandraza Hamada, izay natokana ho an’ireo mpitsara afrikanina, izay natao tany Doha, Qatar.

 Tompondaka

 

Les commentaires sont fermées.