Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fiainam-piangonana : nanolotra omby 25 ho an’ny FJKM Ravalomanana

Fiainam-piangonana  : nanolotra omby 25 ho an’ny FJKM Ravalomanana

 Nanolotra omby 25 ho sakafom-pifaliana ho an’ireo mpino kristianina FJKM tonga any Antsiranana ny filohan’ny komitin’ny fankalazana ny faha-50 taon’ity fiangonana ity, omaly. Hitohy anio hatramin’ny rahampitso, izany jobily izany sady fanamarihana koa ny faha-200 taon’ny nidiran’ny misionera (LMS) sy ny Filazantsara teto amintsika. Anisan’ny ambentin-teny tamin’ny fampianarana nataon’ireo mpitandrina na koa ny filohan’ny FJKM, Andriamahazosoa Irako Ammi, ny amin’ny fijoroana. “Aza menatra ny amin’i Jesoa Kristy. Tokony ho sahy sy tsy menatra ary tsy mihatsaravelatsihy isika… Ho sahy sy hijoro amin’ny finoana hatrany. Be ny fisedrana fa tsy hihemotra isika… Vontosy Filazantsara ny Nosy Madagasikara”, hoy izy ireo. Nialohavan’ny diabe sy fanompoam-pivavahana narahina antsa an-kira ny fanokafana izany rehetra izany, omaly.

Taorian’izany, nihaona amin’ireo mpianatry ny oniversite Ravalomanana ary nampita traikefa sy ny fahaiza-mitarika.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.