
Mpanakanto tanora anisan’ny mifototra amin’ny fikarohana. Hitondra izany eny an-tsehatra ny tarika Joël Rabesolo Trio ahitana an’i Ranto Rakotomalala, eo amin’ny fitendrena ny gitara beso i Miora Rabarisoa mikapoka ny amponga maroanaka ary i Besolo, hitendry gitara. Fampisehoana hotontosaina ao amin’ny Cercle Germano-Malagasy (tohatohabaton’Antaninarenina) ny 26 aogositra izao manomboka amin’ny 5 ora hariva. Hanehon’izy telo mirahalahy nyy fomba fijeriny ny mozika malagasy amin’izao fotoana izao. Hitondran’ny Joël Rabesolo Trio ny voka-pikarohana momba ny mozika malagasy laroina kely mozika jazz na rock. Marihina fa efa nanao fampisehoana nitety ireo Nosy aty amin’ny ranomasina Indianina, nanomboka ny taona 2015, ity tarika ity.
I Joël Rabesolo, iray amin’ireo Malagasy andrarezina amin’ny fitendrena gitara. Anisan’ny mampiavaka azy ny fampiasana ny tanany havia amin’ny fikitihana ny gitara. Efa tazana sahady izay famirapiratany amin’ny fitendrena gitara izay raha mbola teo amin’ny fahavalo taony izy. Na nandalina sy nianatra momba ny toekarena aza i Joël Rabesolo, nandrian’ny sainy kokoa ny mozika.
Nangonin’i HaRy Razafindrakoto
Les commentaires sont fermées.