Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Depiote Randrianarisoa Guy Rivo : « Atsaharo ny fihatsarambelatsihy hiarovan-tena »

Depiote Randrianarisoa Guy Rivo  : « Atsaharo ny fihatsarambelatsihy hiarovan-tena »

 Nitondra fanazavana momba ny resaka trano fandraisam-bahiny sy ny nanesorana an-dRavalomanana tao amin’ny hotely iray any Antsiranana ny depiote Randrianarisoa Guy Rivo, omaly. Mazava ny valin-kafatra ho an’ny mpitondra. 

 

Tsy nipetraka na nanao famandrihana trano tany amin’ny hotely “Allamanda” izany ny filoha Ravalomanana. Nivantana avy hatrany tao amin’ny “Grand Hôtel” hatramin’ny nahatongavany izy ary hitam-poko hitam-pirenena izany, na tsy tamin’ny anarany aza ny famandrihana. Hitan’ny rehetra tao izy ary fantatry ny rehetra fa aza izany no ataonareo fihatsarambelatsihy eto hiarovan-tena”, hoy izy. Nambarany fa manome hasina sy ny hajan’ny filoham-pirenena izy ireo, saingy tsy eken’izy ireo kosa ny fomba hanehoana izany amin’ny fandefasana miaramila sy tsindry ambadika. Efa nofandrihina ny 27 jolay teo rahateo, io trano fandraisam-bahiny io, araka ny nambarany. “Aiza ny soatoavina malagasy amin’izany. Tsy adala izahay ka tsy hanome ny filoham-pirenena ny voninahitra sahaza azy, saingy tsy nisy resaka natao taminay. Manimba ary tokony hamboarina ny fihetsiky ny mpiara-miasa amin’ny filoham-pirenena”, hoy ihany izy.

Raha tsiahivina, nahazo baiko ny hanala an-dRavalomanana mivady tao amin’io hotely iray lehibe io ny eo anivon’ny Emmo/Reg, afakomaly hariva. Voalaza ho anton’izany ny hahatongavan’ny filoham-pirenena sy hivantanany ao amin’io trano fandraisam-bahiny io. Voasakana, noho izany, Ravalomanana Lalao ary tratran’ny tsindry koa ny tompon’ny hotely na efa voafandriky ny filoha teo aloha aza ny toerana.

Tratry ny antsojay hatrany Ravalomanana

Tsy afa-bela mihitsy aloha izany Ravalomanana, tato ho ato. Tsy afaka nankalaza ny fetin’ny Tim tetsy Mahamasina sy Toamasina. Ity indray, amin’ny maha filohan’ny faha-50 taon’ny FJKM azy nefa mbola voailika koa.

Voaporofo izao fa mampihatra jadona sy faneriterena ny mpitondra ka tsy afa-nanoatra ny tompon’ny hotely manoloana ny mpanjifany. Baiko avy amin’iza izany ny nanesorana azy ireo tao  ? Tena avy amin’ny filoham-pirenena sa ireo tompomenakely ao an-dapa ? Tsy fahalalana sa tena barofo tsotra izao ? Mitafy henatra aloha izany ny firenena sy ny vahoaka ary ny fiangonana, manoloana izany rehetra izany.

Synèse R.

 

Les commentaires sont fermées.