
Nanatanteraka sarin’ady teny Antamponketsa indray ny eo anivon’ny Foloalindahy, omaly. « Tintotry” ny anarana nomena izany. Nampiasa ireo fitaovam-piadiana faran’izay henjana eo am-pelatanany ny foloalindahy. Isan’izany ny tafondro, ny fiara mifono vy ary ny basy marovava samihafa. Tanjona amin’izao, ny ahafahana manatsara hatrany ny fahaiza-manaon’ny Foloalindahy eo amin’ny fitandroana ny filaminana.
Les commentaires sont fermées.