Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

28 taona ny Akamasoa : nitondra fanampiana teny Andralanitra ny filoha

28 taona ny Akamasoa  : nitondra fanampiana teny Andralanitra ny filoha

28 taona no nijoroan’ny fikambanana Akamasoa eny Andralanitra tarihin’ny mompera Pedro Opéka izay miady amin’ny fahantrana. “Mbola mitohy ny ady hatramin’izao”, hoy ny nambaran’ity tomponandraikitra voalohany sady mpanorina ny fikambanana ity,afakomaly eny Andralanitra. Nitondra fanampiana ho azy ireo ny filoham-pirenena mivady, omaly, nahitana vary 10 t, bodofotsy 375, voamaina 1 500 kg, menaka 500 litatra ary vola mitentina 20 tapitrisa Ar. Nankasitraka ny fihetsik’izy ireo ny mpitantana ny Akamasoa sady nilaza fa efa tafiditra ho mpiasam-panjakana ny mpampianatra 350 ary miofana ao amin’ny école supérieure pédagogique kosa ny 47 hafa.

Mbola nanamafy ny filoha fa hitondra fampitaovana ho an’ny toeram-pitsaboana tsy ho ela. Hojerena manokana ihany koa ny famatsiana ny siniben-drano ao Manantenasoa araka ny fangatahan’ny mompera Pedro. 25 000 ny mponina ao amin’ny fikambanana, 14 000 amin’ireo mpianatra avokoa. 80% amin’ny mponina miezaka miala amin’ny fahantrana tanteraka fa ny ambiny, tsy afa-bela amin’ny fahazaran-dratsy.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.