
Tsy mbola milamina mihitsy, hatreto, ny hilalaovan’ilay Brezilianina, Neymar Jr, ao amin’ny klioban’ny Paris St Germain. Na efa naseho vahoaka sy nandaniana volabe aza ny lehilahy, mbola tsy afaka miakatra kianja. Anton’izany ny tsy mbola nandefasan’ny FC Barcelone, ekipa nilalaovany teo aloha, any amin’ny federasiona frantsay ny taratasy fahazoan-dalana iraisam-pirenena mifindra klioba.
I Neymar, izay efa tokony hanomboka hilalao eo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka frantsay “Ligue 1”, amin’ny alahady ho avy izao. Fihaonana hikatrohan’ny PSG amin’ny Guingamp. Tsy mbola hahita an’i Neymar indray izany ireo mpijery sy mpanohana parizianina, izay efa mangetaheta mafy ny hiakarany kianja.
Ankoatra izay, tsy nomen’ny FC Barcelone ihany koa ilay vola mitentina 26 tapitrisa euros, tambiny nilalaovan’i Neymar tany Espaina. Lelavola tokony horaisin’ny dadan’i Neymar izany, izay tafiditra ao anatin’ny fifanarahan’ny roa tonta.
Vokatr’izay, hitory ity klioba ity ny tovolahy. Andrasana izany ny ho tohin’ity tantara, mbola mitana ny sain’ny rehetra, ity eo amin’i Neymar sy ny FC Barcelone.
Tompondaka
Les commentaires sont fermées.