Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Morondava : katekista maty voatapa-doha

Morondava : katekista maty voatapa-doha

 Nitrangana asan-dahalo niharo herisetra feno habibiana indray tao amin’ny fokontany Antsahamiroaky, kaominina ambanivohitr’i Bemanonga, distrikan’i Morondava, ny alatsinainy teo. Notapahin’ny dahalo tsy nisy indrafo ny lohan’ny Katekista iray tany an-toerana. Raha ny loharanom-baovao voaray, teny an-dalana hody rehefa avy nampivavaka tao amin’ny fiangonana iray no niharan’ny herisetran’ireo dahalo ity Katekista niharam-boina. Nosakanan’ireo dahalo teny an-dalana izy ka notapahan’ireo malaso avy hatrany ny lohany. Vokany, maty tsy tra-drano nihosindra ilay mpitondra fiangonana. Mbola hita teny aminy avokoa anefa ny entana nentiny ka isan’izany ny Baiboly sy ny fotsim-bary. Mampametra-panontaniana ny mpino rehetra ao amin’ny fiangonana entin’ity Katekista ity kosa ny anton’izao vonoan’olona mahatsiravina izao. Olona sendra nandalo kosa no nahita azy nihosindra nitsirara teo amin’ny tany ka nampandre haingana ny tompon’andraikitra ao amin’ny fokontany.

Azo lazaina fa tsy milamina intsony ny ao amin’ny faritra Menabe amin’ny afitsoky ny malaso. Ireny niaraha-nahita ireny ny zava-nitranga ny herinandro teo satria nisy miaramila sy zandary koa maty voatifitra sy notetitetehan’ny dahalo tao Belo/Mer sy Belo Tsiribihina. Midika izany fa lasa ny malaso indray no mifehy ny tanàna ka mahavita mihantsy ny mpitandro filaminana ary miafara amin’ny fahafatesana. Izao indray ity lasibatra ny mpitondra fiangonana.

Jean Claude

Les commentaires sont fermées.