
Mampiaka-peo ny mpanjifan’ny Jirama any Toamasina amin’ny tolotra tsy sahaza omena azy nefa misondro-bidy ny faktiora. Efa nanao hetsika fanairana izy ireo taona vitsy lasa izay, ary ahina ny hiverenany indray.
Ahina ny mety hisian’ny fikomiam-bahoaka, raha ny resabe etsy sy eroa, ifanaovan’ny mpanjifan’ny Jirama eto Toamasina. Tonga hatrany anaty tsena sy birao ary eny an-dalana ny resaka amin’ny hoe, “ahoana ity fiakarana 100%-n’ny faktioran’ny Jirama ity ?” Arakaraka ny ampiasanay takamoa mitsitsy, tafakatra 80.000 Ar latsaka kely anefa ny faktioranay volana jolay teo, raha 40.000 Ar hatramin’izay. Manampy izany, miaka-midina ny tanjaky ny herinaratra, ka simba sy may ny fahitalavitray anankiroa”, hoy ny mpanjifa iray.
“Tsy izay ihany fa toa tsy hitan’ny Jirama ny fahatapahan-jiro lavareny amin’ ity faktiora ity, zara raha hananana herinaratra adiny 6 isan’andro, manginy fotsiny ny haratsian’ny fotodrafitrasa sy ireo tariby mitondra herinaratra atahorana hitondra loza sy ny fahamaizana trano”, hoy ny hafa.
Tsy nahazoam-baliny ny talem-paritra
“Raha tsorina, tsy mahafa-po ny tolotra ataon’ny Jirama ka tokony hisy indray ny hetsika hanairana ny tompon’andraikitra” hoy ihany izy ireo. Lany andro milahatra manefa ny faktiora laniny kanefa sahirana amin’ny haratsian’ny tolotra. Tsy misy ny fanatsarana ny tolotra hanamaivanana ny filaharambe danihin’ny hainandro sy vesaran’ny orana, rehefa mandoa faktiora.
Sarotra ny miantso an-telefaonina ny talem-paritry ny Jirama Toamasina, koa nandefa taratasy ho azy ny mpanao gazety, nangatahina fanazavana mikasika ireo fitarainan’ny mpanjifa ireo. Tsy nahazoam-baliny izany hatramin’izao.
Njaka A. sy Sajo
Les commentaires sont fermées.