Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fampandrosoana : ho avy ny “Diaspora”

Fampandrosoana  : ho avy ny “Diaspora”

Tanindrazana iaraha-manana. Anisan’ny nivoitra tamin’ny filankevitry ny governemanta, afakomaly teny Mahazoarivo, ny fihaonambe eto an-tanindrazana hiarahana amin’ireo Malagasy miasa sy monina any ivelany na ilay antsoina hoe « diaspora ». Hotanterahina, ny 26 hatramin’ny 29 oktobra izao, izany. « Anisan’ny andry iray lehibe ho an’ny politikam-pirenena ho amin’ny dingan’ny fampandrosoana ireo zanaka am-pielezana any andafy ireo », hoy ny fanambaran’ny governemanta. Mitodika amin’izany rahateo ny dilpaomasiantsika ary efa voafaritra amin’ny politika any ivelany koa ka iantsoana ireo mpisehatra rehetra eo amin’ny fampandrosoana izany.

Fotoana iray lehibe hanamarina ny tantaran’ny firenena io fihaonamben’ny zanak’i Madagasikara manerana izao tontolo izao hatao eto Antananarivo io. Hitondran’izy ireo sy hamaritana koa ny anjara birikiny ho an’ny fampandrosoana ny firenena.

Tsiahivina fa efa nisy fivoriana, fanomanana voalohany nataon’ny eo anivon’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny, nampahafantaran’ny minisitra Atallah Béatrice izao hetsika lehibe sy goavana hotanterahina izao.

Synèse R. 

 

Les commentaires sont fermées.