Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ambilobe : olona roa nahatrarana basy Kalach

Ambilobe  : olona roa nahatrarana basy Kalach

 Saron’ny zandary avy ao amin’ny kaompania Ambilobe, tao amin’ny toerana antsoina hoe Maintialaka Vohémar, omaly tamin’ny 3 ora sy 30 mn maraina ireo olona voarohirohy ho nitondra basy Kalachnikov sy bala. Araka ny fampitam-baovao voaray, nahazo loharanom-baovao ny zandary avy ao amin’ny kaompania Ambilobe fa misy olona roa avy any Antsiranana ho any Sambava mitondra basy Kalachnikov. Niroso tamin’ny fikarohana sy ny vela-pandrika ny zandary ka hita tokoa ity basy Kalachnikov iray izay efa nokikisana ny laharana, miaraka amin’ny chargeurs roa misy bala miisa 30 avy. Roa lahy, 37 taona sy 42 taona monina ao Befandriana Avaratra sy Nosy Be no tompon’antoka tamin’ny fitondrana ity fitaovam-piadiana mahery vaika ity. Tratran’ny zandary nanao sakana teo amin’ny tetezana ao amin’ny fokontany Maintialaka izy roa lahy ireo. Notanana anaovana famotorana izy roa lahy. Nogiazana kosa ilay fitaovam-piadiana mahery vaika.

Miparitaka izaitsizy mihitsy ny fitaovam-piadian’ny mpitandro filaminana. Misy hatrany ny firaisana tsikombakomba eo amin’ny mpitandro filaminana sy ireo mpanao trafika matoa miparitaka toy izao itony basy itony.

Jean Claude

Les commentaires sont fermées.