Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tsy ekena intsony izao fitondrana izao : hitarika vahoaka an-dalambe ny Herin’ny fanovana

Tsy ekena intsony izao fitondrana izao  : hitarika vahoaka an-dalambe ny Herin’ny fanovana

 Tsy azo ihodivirana intsony. “Tapa-kevitra izahay hamory vahoaka sy hidina an-dalambe manoloana izao fijaliana sy fahantrana izao. Tsy mba misy fahalalahana ho an’ny mpanao politika, ny mpanao gazety hilaza ny marina. Tafahoatra izao didy jadona izao ary tsy zaka intsony ny fampahoriana. Ny mpitondra, etsy andaniny, manitsakitsaka lalàmpanorenana… Aoka tsy hatao biby fampitahorana ny prefet sy ny Emmo/Reg… “, hoy ny mpandrindra ny Herin’ny fanovana, Ratolojanahary Maharavo na i Doudou, tetsy Andravoahangy Ambony, omaly. Nambarany fa hangataka alalana amin’ny kaominina (CUA) sy ny prefektiora izy ireo. Mialoha izany anefa, mbola hihaona amin’ny eo anivon’ny Filankevi-panjakana, ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana (Taf) izy ireo ny alakamisy izao. “Horesahina ny zo sy ny fahalalahana ary ny adidin’izy ireo… Tsy an’ny mpitondra irery Antananarivo sy i Madagasikara. Ampy izay fanaovana tsinontsinona ny vahoaka izay”, hoy ihany izy.

Tsy hanao hazalambo ny mpitarika…

Nanteriny avy eo fa tsy azo ekena ny fanaovana omeko tsy omeko, toy ny nataon’ny tamin’ny antoko Tim raha nikasa ny hankalaza ny faha-15 taony. “Mivadika amin’ny fotoana farany amin’ny tsy fanomezana alalana… Miaro ny hetsika ataonay ny adidinareo mpitandro filaminana  fa tsy hanao hazalambo anay mpitarika sy ny vahoaka…”, hoy ihany i Doudou. Notsiahiviny koa fa misy lalàna mifehy ny zo sy ny fahalalahana, araka ny voalazan’ny fanambarana iraisam-pirenena ny zon’olombelona, nosoniavintsika. Eo koa ny andininy voalazan’ny lalàmpanorenana, manaporofo ny maha vahoaka afaka. “Tsy izany anefa ny zava-misy fa izao iaraha-mahita izao ny toe-draharaha. Tsy azo leferina intsony izao”, hoy ihany izy.

Midika izany fa efa mivonona sy maka bahana amin’izany hetsika izany ny Herin’ny fanovana… Ho tonga hatraiza anefa satria efa maromaro ihany ireo niana-kendry teto ?

Synèse R. 

 

Les commentaires sont fermées.