Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

“Super Rugby 2017” : lasan’ny Crusaders ny amboara

“Super Rugby 2017”  : lasan’ny Crusaders ny amboara

Norombahin’ny ekipan’ny Les Crusaders, avy any Nouvelle-Zelande, fanimbalony, ny amboaran’ny “Super rugby 2017”. Lavon’izy ireo, tamin’ny isa 25 no ho 17, ny Lions Afrika Atsimo, ny asabotsy lasa teo tao amin’ny kianjan’i Johannesbourg.

Tsiahivina fa nilalao 14 ry zareo Afrikanina Tatsimo, teo amin’ny minitra faha-39, rehefa nahazo karatra mena i Kwagga Smith, taorian’ny fahadisoana nataony  tamin’i David Havili.

Azo lazaina fa nanjakan-dry zareo New-Zelande  tanteraka ny fihaonana satria efa nitarika tamin’ny isa 12 no ho 0 ry zareo raha vao nanomboka 12 mn ny lalao. Avy eo, lasa 25 no ho 3. Samy nahatonga baolina nentin-tanana avokoa, tamin’io, ry Tamanivalu sy ry Kieran Read, izay samy voatsaran’i Richie Mo’unga avokoa.

Marihina fa mpilalao fito ao amin’ity Les Crusaders ity no manatevina ny All Blacks, toa an’i Matt Todd sy i Sam Whitelock.

Indroa izany izao no very teo amin’ny famaranana ny Afrikanina Tatsimo, teo amin’ity fihaonana ity. Niverina eo am-pelatanan’ny Crusaders indray ny anaram-boninahitra, taorian’ny taona 2008, nahazoany izany farany.

Tompondaka

 

Les commentaires sont fermées.