Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Minisiteran’ny Varotra : nifanakalo traikefa ny mpiasa

Minisiteran’ny Varotra  : nifanakalo traikefa ny mpiasa

Nanamafy ny fiaraha-miasa ny mpiasan’ny minisiteran’ny Varotra sy ny fanjifana (MCC), ny 2 aogositra teo tany Mantasoa. Nahatratra 110 izy ireo, nahitana ny tale sy ny lehiben’ny sampandraharaha samihafa ao amin’ny foibe sy ny isam-paritra. Votoatin’ny fotoana ny fifanakalozana traikefa, nanomezana vahaolana ny tompon’andraikitra namana. Nambaran’ny ministra Tazafy Armand, fa mila vahana isan’andro ny tsy firindran’ny asa satria mampitarazoka ny fahombiazan’ny rehetra.

Anisan’ny nivoriana nandritra ny fotoana koa ny fampiroboroboana ny fahakingan-tsaina iombonana, ny fanentanana sy fandrisihana ny mpiara-miasa vaovao ho ao anatin’ny fiaraha-miasa sy firahalahiana. Ary indrindra, nohamafisina ny fanasongadinana ny mampiavaka sy ny lanjan’ny tsirairay sy ny fikarohana hevitra vaovao isaky ny mpiasa avy. Tsikaritra tokoa fa nandray anjara mavitrika tamin’ny fifanakalozan-kevitra ny rehetra ary naneho ny fahavononany avy.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.