Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mahasarika olona hatrany : andiany faha-22 ny « Lalao iombonana »

Mahasarika olona hatrany : andiany faha-22 ny « Lalao iombonana »

Nanomboka, omaly, tontosaina etsy amin’ny Alliance française Antananarivo Andavamamba  ny andiany faha-22 amin’ny « Lalao iombonana ».

Mahasarika olona hatrany ity hetsika ity, noho ny antony maro. Anisan’izany ny fahitana ireo karazana kilalao iombonana avy eto an-toerana sy ny avy any ivelany. Ao ny fanorona, ny katro, ny suduku, ny go, ny scrable, sns. Ankoatra ny maha maimaimpoana ny fandraisana anjara, anisan’ny mahasarika ny olona indrindra fa ny tanora sy ny mpianatra amin’ny « Lalao iombonana », ny maha fitaizan-tsaina azy. « Na fotoam-pialan-tsasatra ho an’ny ankizy aza izao, ilaina hatrany ny mitaiza ny sain’izy ireny mba ho zatra mandinika sy mamakafaka. Soa iray azo avy amin’ny kilalao iombonana, tahaka izao, ny fahazoana saina matsilo »,  hoy ny ray aman-dreny iray nitondra ny zanany telo mianadahy teny an-toerana. Nanaiky ihany koa ity raim-pianakaviana ity fa « maro ankehitriny ireo ray aman-dreny tsy mahefa mampita sy mampianatra ny kilalao iombonana, tahaka izao, amin’ny zanany intsony noho ny fahasarotan’ny fiainana… ».

 Ho an’ny mpikarakara, anisan’ny antony hanatanterahana ny « Lalao iombonana » tahaka izao isan-taona, ny fahitana fa marobe ireo zaza sy ankizy ary tanora, tsy afaka mandeha miala sasatra. Izy ireny indrindra no kendrena amin’ny fanaovana ny « Lalao iombonana ».

HaRy Razafindrakoto

 

Les commentaires sont fermées.