Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra vehivavy – «Division Elite» : hiady ny toerana fahefatra ny Mifa sy ny Ascuf

Kitra vehivavy – «Division Elite» : hiady ny toerana fahefatra ny Mifa sy ny Ascuf

Hitohy, anio any amin’ny kianja Rabemananjara Mahajanga, ny andro fahatelo  hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, baolina kitra vehivavy “Division Elite”. Anisan’ny lalao hisongadina ny an’ny Mifa Analamanga sy ny Ascuf Matsiatra Ambony,  ho an’ny sokajy “B”. Hiady ny tapakila farany  hahafahana miatrika ny lalao manasa-dalana mantsy ny roa tonta.

Hatreto mantsy, samy manana isa telo avy ny andaniny sy ny ankilany. Fandresena iray sy faharesena iray avy ny azon’izy ireo  tamin’ny lalao roa vitany. Manantombo  amin’ny “goal average” anefa ny ekipan’Analamanga raha mihoatra amin-dry zareo avy any Fianarantsoa. Tafita amin’ny ankatoky ny famaranana ny Mifa raha toa ka misaraka ady sahala ny roa tonta, anio.

Marihina fa efa tafakatra amin’izany dingan’ny manasa-dalana izany ny Sab-Nam,  tompondaka farany, sy ny Asot ary ny Askam. Hatao, ny alakamisy ho avy izao, ireo lalao manasa-dalana, amin’ity fifaninanam-pirenena vehivavy, ity.

 Torcelin

Toy izao ny fandaharan-dalao anio :

07:30 – Mifa # Ascuf (B)

09:30 – Som # FC Prescoi (A)

02:00 – AS Comato # AS Sab-Nam (B)

04:00 – Asot # Askam (A)

Les commentaires sont fermées.