Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Filohan’ny Fizafato, Maharante : « Miantso anareo mpifanandrina aho hifampiresaka »

Filohan’ny Fizafato, Maharante  : « Miantso anareo mpifanandrina aho hifampiresaka »

Tsy niandry ela. “Miantso anareo mpifanandrina amiko na nanaratsy aho mba hifampiresaka. Tsy fahavaloko ianareo… Fahavalon’i Maharante ny fahantrana. Hovahantsika miaraka ny olana”, hoy ny filohan’ny Fizafato, Maharante Jean de Dieu, omaly tetsy Besarety, taorian’ny nahalany azy indray ho filohan’ny Fizafato, ny alahady teo. Nambarany koa fa anisan’ny fandaharanasany ny hitondra vahaolana amin’ny asan-dahalo any atsimo, ny kere mahazo laka amin’ny faritanin’i Toliara. “Hitondra hevitra eo anivon’ny governemanta isika satria manana minisitra enina ny avy any atsimo”, hoy ihany izy. Notendreny avy hatrany koa ireo filoha lefitra sasany amin’ireo foko enina, mandrafitra ny any atsimo. Tsiahivina fa nanjaka tokana, tsy nisy mpifanandrina, ny tenany tamin’ny fifidianana noho ny fisintonan’ny kandidà Andriamanarivo Berkley ny firotsahany satria tsy araka ny tokony ho izy ny fikarakarana izany.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.