Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fiaraha-miasa : ho tanàna mpirahavavy i Toamasina sy i Brickaville

Fiaraha-miasa  : ho tanàna mpirahavavy i Toamasina sy i Brickaville

Nomarihana, omaly, ny fiaraha-miasa eo amin’ny kaominin’i Toamasina sy i Brickaville. Hifanampy amin’ny sehatra rehetra fa indrindra, ny ahafahana mampiroborobo ny toekarena, ny kaominina roa tonta. Maro ireo vokatra mivoaka ao Brickaville eo amin’ny fambolena sy ny jono, mbola tena azo trandrahina ahafahana mampitombo ny fidiram-bola ka hirosoan’ny kaominina amin’ny fahaleovantena araka ny tatitra nataon’ny ben’ny Tanàna ao an-toerana. Eo amin’ny fotodrafitrasa, havaozina mba hahafahan’ny kaominina mampidi-bola ny tranom-pokonolona ao Brickaville. “Atsangana ny rafitra hisehatra eo amin’ny letisia, ho an’ny tsena anatiny na ny fanondranana mankany ivelany”, hoy ny ben’ny Tanàna, Ratsiraka Elysée. Hohamafisina koa ny fifandraisana eo amin’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena. « Entina mampiriborobo ny fizahantany avokoa izany rehetra izany”, hoy ny ben’ny Tanàna roa tonta. Tsiahivina fa nanamarihana ny fiaraha-miasan’ny kaominina roa tonta ny lalao baolina kitra teo amin’ny ekipan’ny Voromaherin’i Brickaville sy ny Appel Mahanoro, tao amin’ny kianjan’i Maromamy. Nahazo amboara avy amin-dRatsiraka Elysée sady filoha mpanorina ny antoko Appel avokoa ny roa tonta.

Synèse R.

 

Les commentaires sont fermées.