Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ambatovy sy ny CCS : tohizana ny fanofanana tanora sahirana

Ambatovy sy ny CCS : tohizana ny fanofanana tanora sahirana

Nohavaozina, mandritra ny dimy taona, indray ny fiaraha-miasa eo amin’ny orinasa Tetikasa Ambatovy sy ny Ivontoeran-kolontsaina sy sosialy (CCS) any Toamasina. Fiaraha-miasa mifantoka amin’ny fanofanana ny tanora avy amin’ny fianakaviana sahirana any Toamasina, mikasika ny fampianarana asa. Voakasik’izany ny fitantanana sy fanodinana indray ireo hazo efa nampiasain’ny Tetikasa Ambatovy. Nanomboka ny volana mey 2015 ity fiaraha-miasan’ny roa tonta ity, izao nohavaozina izao.

Manodidina ny 200 m3 isam-bolana ny hazo efa niasa omen’Ambatovy maimaimpoana ny CCS. Ampiasain’ny mpianatra asa ireo hanampy amin’ny fianarana asa, ahafahany mitady asa na mamorona orinasa madinika any aoriana. Maro ny asa efa vitan’izy ireo nahitana lalam-barotra, toy ny fanaka ho an’ny akanin-jaza, sekoly, vondrombahoaka itsinjaram-pahefana (kaominina, prefektiora,…), toeram-pitsaboana, hopitaly, sns. Mampiavaka ny zava-bitan’ireo mpianatra ny kalitao satria izany no singa andrasana sy takin’ny mpanjifa, mba hampaharitra ny varotra.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.