Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ambatondrazaka : mifamahofaho ilay resaka haromotana

Ambatondrazaka  : mifamahofaho ilay resaka haromotana

  « Nifamahofaho be ihany hatrany amin’ny minisitera sy ny Institut Pasteur ny antontanisa nivoaka mikasika ny fahafatesan’olona vokatry ny haromotana taty amin’ny distrikan’Ambatondrazaka tao ho ao », hoy ny Dr Randriamiarilaza Eugène, medecin inspecteur-n’Ambatondrazaka. «Ny marina, hoy izy, voakaikitry ny alika iray tao Bejofo ny olona telo, nisehoana haromotana roa volana taty aoriana ary maty na notsaboina aza:  ireo ihany ny mahakasika ny distrikan’Ambatondrazaka. Tany amin’ny distrikan’Amparafaravola, Moramanga ary Andilamena ny tranga sisa nahafeno valo ireo matin’ny haromotana taty Alaotra-Mangoro». Nomarihiny kosa fa nisy ny tranga nampiahiahy:  iray teto amin’ny tanànan’Ambatondrazaka, iray hafa tany Madiorano. Tsy ny alika ihany fa ny saka sy biby hafa , toy ny ramanavy, ohatra, mety hamindra haromotana amin’olombelona ny kaikitra sy ny rangotr’ireny. Ary ny loza, roa volana aty aorinan’ilay kaikitra na rangotra vao miseho amin’ilay olona voakaikitra na voarangotra ny haromotana: efa sarotra tsaboina. Koa toroina hevitra izay voakaikitra na voarangotra biby mba tsy hangataka andro fa hanatona toby fitsaboana avy hatrany. Efa misy ny fomba fitsaboana azo antoka fa mahasitrana amin’izay, araka ny nambaran’ity mpitsabo.

Rarivo

Les commentaires sont fermées.