Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tohanan’ny Orange solidarité: CEG valo hahazo fanabeazana nomerika

Tohanan’ny Orange solidarité: CEG valo hahazo fanabeazana nomerika

Ho an’ny taom-pianarana 2017-2018, hitarina amin’ny sekolim-panjakana CEG valo ny fametrahana ny fanabeazana nomerika iarahan’ny minisiteran’ny Fanabeazana sy ny Orange solidarité Madagascar. Eo ny fizarana “tablette” hokirakirain’ny mpianatra eny anivon’ireo CEG ireo sy ny fametrahana fitaovana toy ny ordinatera efa misy “connexion” ahafahan’ny mpianatra mivelatra amin’ny teknolojia vaovao. Hisitraka izany fanabeazana nomerika izany ny CEG Tsimbazaza, Antanimena, Analamahitsy, Faliarovo Ambodiafotsy Ampitatafika, Ambodifasika Itaosy ho an’ny eto Antananarivo. Iantefany koa ny CEG Anivorano any  Antsiranana II, CEG Nosy Be ary ny CEG Dzamanjary Nosy Be. Nohavaozina omaly, teny Ankorondrano ny fiaraha-miasa teo amin’ny roa tonta tamin’ny fanaovan-tsonia teo amin’ny mnisitra, Rabary Paul sy ny filohan’ny Orange solidarité, Randriambeloma Josie.

Ankoatra izay, anisan’ny tetikasa hotohanan’ny Orange solidarité koa ny fametrahana ny “maison digitale” ho an’ny fikambanam-behivavy any Ambatondrazaka, ao Ambatomirahavavy sy ny any Ambalavao. Valo ireo hajoro miaraka amin’ny fikambanana enina hampandrosoana ny vehivavy hahaleo tena sy hifehy ny fivoarana entin’ny teknolojia vaovao.

Ampiana koa ny foibe maman kangourou manampy ireo ray aman-dreny niteraka zaza tsy ampy volana ka mila hafanana nefa tsy afaka mampiasa  “couveuse”. Efa misy foibe efatra miasa amin’izao fotoana izao, foibe enina vaovao hafa hisokatra miaraka amin’ny Compassion Madagascar ho fiahiana ny fahasalaman’ny zaza vao teraka.

Tao anatin’ny 11 taona, nanohana tetikasa 150 ny Orange solidarité Madagascar ary nampiasa vola hatramin’ny 11 miliara Ar. 800 ny fikambanana naira-niasa taminy nanomboka ny taona 2006 no ho mankaty.

Vonjy

Les commentaires sont fermées.