Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

RN5 – Faritra Analanjirofo: hampiakatra saran-dalana ny mpitatitra

RN5 – Faritra Analanjirofo: hampiakatra saran-dalana ny mpitatitra

Mampiteny ny moana amin’izao fotoana izao raha ny zava-misy amin’ ny lalam-pirenena faha dimy (RN5), mampitohy an’i Toamasina sy i Foulpointe. Hampiakatra saran-dalana, manoloana izany, ireo mpitatitra manao zotra rezionaly mampitohy an’i Toamasina sy ny faritra Analanjirofo. “Mitombo ny fandaniana amin’ny fikojakojana ny fiara vokatry ny haratsian-dalana”, hoy izy ireo. Tsy mampiova zavatra ny fidinan’ny vidin-tsolika, mitombo ny fatra lany, mitombo araka izany koa ny vola lany. Manginy fotsiny ny fakam-bola ataon’ny mpitandro filaminana sasany.

Koa hatomboka ny 15 aogositra izao ny fampiharana ny fiakaran’ny saran-dalana vaovao. Ho an’i Toamasina-Fenoarivo Atsinanana, 10.000 Ar raha 6. 000 Ar teo aloha ; 15. 000 Ar  Toamasina-Soanierana Ivongo sy Toamasina-Vavatenina, raha 10.000 Ar izany teo aloha. Misy fiantraikany amin’ny fizahantany, fotoam-pialantsasatra, sy ny vidin-javatra ankapobeny izao fisondrotry ny saran-dalana izao.

Sajo

Une réponse à "RN5 – Faritra Analanjirofo: hampiakatra saran-dalana ny mpitatitra"

  1. rakotoson  05/08/2017 à 08:39

    MAHAGAGA OATRA NY TOA IZAO ?

    Inona ny antony tsy anamboaran’ny Fitondrana an itony lalam – pirenena RN5 ? Sa tsy nifidy ny antoko HVM ny mponina ao aminy tamin’ ny 2014 ?

    Nefa be dia be toko ny vokatra voakarin’ ireo tanana lalovan’ ity lalampirenena Toamasina – Foulepointe – Mahambo – Fenerivo – Atsinanana – Soanieran’ Ivongo – Sainte Marie iiy . Raha tsy hitanisa fotsiny ireto vokatra ” produits d’ exportation ” ireto : café , vanille , leitchis , girofle , manga … Ao koa ny fizahantany .Nadia mijery an’ izao sary izao aza dia mahonena sy mampiheritreritra mihitsy

    . Tsy ny V8 , sy ny 4×4 double cabine ndry – zareo tokoa no mandalo amin’ itony fa taxi – brousse voatery mampiakatra sy saran- dalana izay efa mampiomenimenina ny mpandeha

    Voamarikay koa fa toa tsy mahay miray hina ireo mpanadraraha eny an – toerana . Hy hetra tangosan’ ny fanjakana ny ” manque à gagner ” tsy hita popoka

Les commentaires sont fermées.