Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Nohadihadin’ny polisy i Corinne sakaizan-dRakotoarivelo Mamy

Nohadihadin’ny polisy i Corinne sakaizan-dRakotoarivelo Mamy

Mahatratra 10 ireo olona efa nampanantsoina sy nohadihadina tao amin’ny polisy misahana ny heloka bevava tamin’ilay raharaha nahafaty an-dRakotoarivelo Mamy. Isan’ireo efa nohenoin’ny polisy ny mpanampiny tao an-tranony sy i Corinne, ilay tovovavy sakaizany”, hoy ny talen’ny sampandraharaha misahana ny serasera eo anivon’ny polisim-pirenena, ny kaomisera Ranaivoson Alexandre Sylvain. Ireo rehetra nifandray akaiky tamin-dRakotoarivelo Mamy, araka izany, dia samy nohenoin’ny polisy. Isan’ireo nohenoina koa ny anabaviny. Nohamafisin’ny polisy misahana ny heloka bevava kosa fa tsy mbola tonga eny amin’izy ireo ny valin’ny autopsie milaza ny antony nahafaty azy. “Tsy marina ny filazana fa hoe naiditra am-ponja ilay mpanampiny. Nohenoin’ny polisy izy ka afaka nody avy hatrany taorian’izay fa tsy naiditra am-ponja araka ny vaovao miely”, hoy hatrany ny fanazavan’ny kaomisera Ranaivoson Alexandre.

Tsiahivina fa nampiahiahy ireo zana-dRakotoarivelo Mamy ny nahafatesan-drainy ka nametraka fitoriana momba izany izy roa lahy. Aorian’ny fanadihadiana ataon’ny polisy no ahafantarana ny marina rehetra momba ity raharaha ity.

J.C

Les commentaires sont fermées.