Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mpiasam-panjakana: hotantanin’ny komity manokana ny Asoimi

Mpiasam-panjakana: hotantanin’ny komity manokana ny Asoimi

Nandray fanapahan-kevitra ny fanjakana fa hotantanin’ny komity manokana iraisan’ny minisitera ny Fikambanan’ny fanatanjahantena eny anivon’ny minisitera (Asoimi), taorian’ireny disadisa teo aloha ireny. Nampahafantatra izany tetsy Mahamasina, omaly ny eo anivon’ny minisiteran’ny Tanora, Julien Juste Angelo.  “Hikarakara ny fifaninanam-paritra sy ny nasionaly hotanterahina any Toliara amin’ny volana septambra ity komity ity. Handrafitra sy hanomana ny fifidianana ho an’ireo hitantana izany koa izy ireo. Hijanona hatreo ny asan’io komity manokana io rehefa tafatsangana ara-dalàna ny Asoimi”, hoy izy. Ahitana solontena avy amin’ireo minisitera dimy, toy ny Fitantanambola sy ny tetibola, ny Asam-panjakana, ny Fahasalamana, ny Atitany ary ny minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izany komity manokana izany. Hampiantso avy hatrany ireo seksiona rehetra izy ireo, anio etsy amin’ny ANS Ampefiloha. Nambaran’ny avy amin’ity komity ity fa hitohy manomboka rahampitso, ny lalao ka tsy misy ahina ny mety ho tsy fahavitan’izany fifaninanam-paritra izany. Tsiahivina fa manodidina ny 6 000 any ho any ny isan’ireo mpiasam-panjakana mandray anjara amin’ity fanatanjahantena eny anivon’ny minisitera sy ny andrimpanjakana ity.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.