Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mikorontana tanteraka ny Fizafato

Mikorontana tanteraka ny Fizafato

Anaty savorovoro tanteraka. Nitohy, omaly indray, ny fifamaliana eo amin’ny samy mpikambana eo anivon’ny Fikambanan’ny zanaky ny faritanin’i Toliara (Fizafato). Samy nanitrikitrika ny amin’ny hirosoana amin’ny fifidianana ny biraon’ity fikambanana ity na ny tanora na koa ireo olobe, indrindra fa ny avy any Androy. « Manome lesona ratsy ho anay raha hitsakitsahina ny sata. Aminay, tsy maintsy hirosoana ny fifidianana amin’ny alahady izao ary tsy tokony hihemotra », hoy izy ireo, tetsy Andrefan’Ambohijanahary. Tsy mifanalavitra amin’izany koa anefa ny nambaran’ny Fita, avy any Androy ary nilaza fa efa manaiky ny hanaovana ny fifidianana ny maro anisa amin’izy ireo. Tsy manery ny rehetra kosa i Avimana raha naneho ny heviny. “Hajao ny zon’ny tsirairay. Ireo hifidy, manao izany malalaka. Zon’ny hafa koa ny tsy mifidy, saingy tsy maintsy atao ny fifidianana”, hoy izy.

Fifandroritana tsy misy fiafarany

Etsy andaniny anefa, nohizingizinin’ny mpikambana hafa kosa fa tokony hahemotra aloha ny fifidianana. « Tsy mahalala izany komitim-pifidianana (Cef) izany izahay. Ho anay, tsy voahaja ny fifanarahana tamin’ny taona 2012 amin’ny fifandimbiasam-pitondrana amin’ny fitantanana ny Fikambanan’ny zanaky ny faritanin’i Toliara (Fizafato)… Ampidirana resaka politika ny raharaha ary mitety raza i Maharante Jean de Dieu », hoy ireo mpiara-dia amin’ny filoha lefitry ny Fizafato, Rakotondrazaka Adrien, afakomaly tetsy Andrefan’Ambohijanahary. Nohitsin’izy ireo fa tsy azo atao ary tokony hofoanana io fifidianana kasain’ny Cef hatao ny alahady izao io. « Mba tsy ho tonga amin’ny savorovoro sy fisaraham-bazana isika, aleo hahemotra ny fifidianana. Hatao ny fivoriambe ary hojerena ny momba ny sata mifehy ny fikambanana. Aorian’izany vao hirosoana ny fifidianana », hoy ihany izy ireo.  Tsy vitan’izany fa efa tapitra ny fe-potoam-piasan’ny birao izao. Tokony hametra-pialana koa ny filoha amperinasa.

Midika izany fa ho sahiran-tsaina ireo mpikambana rehetra, manoloana izao fifandroritana tsy misy fiafarany izao… Misy mahazo tombontsoa manokana ?

Randria 

 

Les commentaires sont fermées.