
Banga iray indray ny tontolon’ny zavakanto malagasy. Nodimandry tamin’ny alarobia 2 aogositra, teo amin’ny faha-79 taony Rakotoimavo Justin, fantatra tamin’ny anarana Dadafara. Mpikambana tao amin’ny tarika Ravolana Fenomanana teo aloha izy. Ao amin’ny tarika Ny Voninavoko tarihin’i Dadagaby izay rahalahiny rahateo i Dadafara. Ny fitendrena angorodao no tena nahafantarana azy. Na izany aza, mahay zavamaneno maro Rakotomavo Justin, anisan’ireny ny valiha sy ny sodina. Namorona hiragasy koa izy.
Ho an’ny mpahay mozika, anisan’ny manana fomba fitendrena angorodao tena miavaka tokoa i Dadafara. Fomba fitendry mampisongadina tanteraka ilay aingam-panahy tena malagasy, hany ka babo avy hatrany izay maheno na ny vahiny io na ny Malagasy.
Hiala ao an-tranony Avaratetezana rahampitso ny nofony ka aterina any amin’ny fasan-drazany ao Ankadindambo Ambohimangakely.
Mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviana manontolo sy ny tontolon’ny kolontsaina malagasy ny Gazety Taratra.
HaRy Razafindrakoto
Les commentaires sont fermées.