Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hevitra mandalo, resaky ny mpitsimpona akotry: loza, anton’ny fisaonam- pirenena

Tsy azo hamaivanina ny fahalasanan’Itompokolahy Régis Gizavo. Mpanankato nanan-daza eran-tany, reharehan’ny Nosy, nahavita be noho izany tamin’ny fampahalalana an’i Gasikara tany ivelany toy ny ambasadaoro nampiely ny taratry ny firenena. Fahavelony, namela hafatra tamin’ny vady aman-janany Ratompokolahy mba handa ny mari-boninahitra mety ho tadiavin’ny mpitondra hopaingorina eo an-tratran’ny vatany efa mangatsika. Angamba raha afaka nosaintsaininy tamin’ny fahavelony fa ho hararaotin’ny fitondrana ny fahafatesany hanaovana fideraderan-tena amin’ny famoahana didy momba ny fampisaonana ny firenena dia ho notsipahany koa izany. Kanjo moa tsy ela akory taorian’izany, dia lasan’ny fahafatesana tampoka ihany koa ny olon-droa samy nanana nahaizy azy eo anoloan’ny raharaham-pirenena noho ny andraikitra ambony niantsorohany. Rariny raha miondrika sy manome voninahitra araky ny tokony izy an’i Mamy Rakotoarivelo sy Jacky Tsiandopy ny fanjakana. Na izany aza, tsy ampy ho antony anaovana fisaonam-pirenena izany fahoriana izany. Misesisesy matetika ny loza rehefa hitranga. Loza ka loza tokoa ny fivarinana an-kadin’ilay fiara be mpitatitra olona. Tranga izay nitarika nafahafatesana pandeha maro. Fahoriana lehibe ho an’ny firenena izany fahaverezana indray mipika olona miisa iraika ambiroapolo ny. Tsy maintsy miara miondrika eo anoloanan’ireo niharan’izany voina izany ny rehetra manam-panahy. Fa angamba tsy izay no atao antony hisaonan’ny firenena. Tsy anaovana fampitahana moa ny voina sy ny loza rehetra mitranga, nefa tsy azo atao ankilabao ireo olona tsy voaisa nizaka ny hetraketraky ny tsy fisian’ny fandriampahalemana. Any amin’ny mponina any Atsimo niharan’ny asan-dahalo no tonga ao an-tsaina voalohany raha izay no resahana. Azo lazaina fa very tadidy ny fanjakana raha mikasika ny fahoriana nandalo tamin’ny vahoaka any amin’iny faritra Atsimo iny. Tamin’ny taona 1971 efa manafosafo ny iray alina ny

isan’ireo olona namoy ny ainy tao anatin’ny iray volana. Tsy vitan’ny hoe alevina ho rakitry ny tantara fotsiny ny loza mandalo, fa mendrika no atao tsiaro ho anatra fisorohana ny fiverenana mitovy azo tohanana.

Léo Raz

Les commentaires sont fermées.