Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

DCAF: Nanao tombana ny asan’ny polisim-pirenena

DCAF: Nanao tombana ny asan’ny polisim-pirenena

Notanterahina afakomaly maraina teny amin’ny Madagascar Developpement Learning Center

Anosy ny atrikasa fanolorana ny vokatry ny tombana nataon’ny Centre pour la sécurité, le développement et l’Etat de droit (DCAF) avy any Genève teo amin’ny polisim-pirenena. Tamin’ny fahatongavan’izy ireo teto an-toerana nanao tombantombana efa-bolana lasa izay.

Nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy ny minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Contrôleur général de police, Andrianisa Mamy Jean Jacques. Atrikasa notanterahina nandritra ny roa andro hanaovana tombana ny fomba fiasan’ny Inspection générale de la police nationale. Niompana tamin’ny tatitra nataon’ireo solontenan’ny DCAF izany. Nisy, araka izany, ny tsoa-kevitra avy amin’ny fanadihadiana nataon’izy ireo teo anivon’ny polisim-pirenena momba ny fomba fiasan’ny Inspection générale de la police nationale nandritra ny fandalovan’izy ireo teto an-toerana efa-bolana lasa.

Tanjona, ho fanatsarana ny asa eo anivon’ny polisim-pirenena izay isan’ny vaindohan-draharaha ny ady amin’ny kolikoly. Sampana fototra ao anatin’ny polisim-pirenena amin’ny fanatanterahana ilay antsoina hoe « Reforme sur le secteur de sécurité » (RSS).

J.C

Les commentaires sont fermées.